Eterniseed

1 Jaona 1

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Izay hatramin’ ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ ny tananay, dia ny amin’ ny Teny Fiainana

2 (fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ ny Ray ka efa naseho taminay), ―

3 izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ ny Ray sy amin’ i Jesosy Kristy Zanany.

4 Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika.

5 Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.

6 Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin’ ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.

7 Fa raha mandeha eo amin’ ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’ i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra.

8 Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.

9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ ny tsi-fahamarinana rehetra.

10 Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.