Eterniseed

Asan'ny Apostoly 6

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Ary tamin’ izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan’ ny mpianatra, dia nimonomonona tamin’ ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin’ ny fiantrana isan’ andro ny mpitondratenany.

2 Ary ny roa ambin’ ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin’ Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.

3 Koa amin’ izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.

4 Fa izahay kosa haharitra amin’ ny fivavahana sy ny fampianarana.

5 Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an’ i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masìna, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),

6 ireo dia narosony teo anatrehan’ ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana taminy.

7 Dia nandroso ny tenin’ Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan’ ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.

8 Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ ny vahoaka.

9 Fa ny sasany, izay avy amin’ ny synagoga atao hoe Synagogan’ ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny Aleksandriana mbamin’ izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady hevitra tamin’ i Stefana.

10 Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;

11 dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy an’ i Mosesy sy Andriamanitra ity.

12 Ary nampitaitra ny olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin’ i Stefana ka nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin’ ny Synedriona;

13 ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masìna ity sy ny lalàna;

14 Fa efa renay izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova ny fomba izay natolotr’ i Mosesy antsika.

15 Ary izay rehetra nipetraka teo amin’ ny Synedriona, raha nandinika an’ i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin’ anjely.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.