Eterniseed

Estera 10

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Ary Ahasoerosy mpanjaka nampandoa hetra ny tany sy ny nosin-dranomasina.

2 Ary izay rehetra nataony araka ny fahefany sy ny heriny mbamin’ ny filazana ny fahalehibiazan’ i Mordekay, araka izay nanandratan’ ny mpanjaka azy, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ i Media sy Persia va izany?

3 Fa Mordekay Jiosy no nanarakaraka an’ i Ahasoerosy mpanjaka sady nalaza tamin’ ny Jiosy ka nankasitrahan’ ny rahalahiny maro, satria nitady hihasoa ny fireneny izy sady nilaza fiadanana tamin’ ny olona rehetra iray firazanana aminy.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.