Eterniseed

Hebreo 1

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Rehefa nampitenenin’ Andriamanitra tamin’ ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa;

2 dia amin’ izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao,

3 Izy koa no famirapiratan’ ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ ny herin’ ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Lehibe any amin’ ny avo

4 ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.

5 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: “Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany”?. Ary koa: “Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako”?

6 Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin’ izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: “Ary aoka ny anjelin’ Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany”.

7 Ary ny anjely dia ilazany hoe: “Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo”.

8 Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: “Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao;

9 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao”.

10 Ary izao koa: “Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan’ ny tananao ny lanitra;

11 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana,

12 Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra”.

13 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: “Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao”?

14 Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’ izay handova famonjena?

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.