Eterniseed

Isaia 12

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao.

2 Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.

3 Koa amin’ ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ ny loharanom-pamonjena.

4 Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.

5 Mankalazà an’ i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin’ ny tany rehetra izany.

6 Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin’ ny Isiraely.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.