Eterniseed

Isaia 4

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Ary amin’ izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin’ ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso

2 Amin’ izany andro izany ny rantsan’ i Jehovah dia ho tonga fahatsaran-tarehy sy voninahitra, Ary ny vokatry ny tany dia ho rehareha sy firavaka ho an’ ny Isiraely sisa afaka;

3 Ary izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masìna. Dia izay rehetra voasoratra ho isan’ ny velona any Jerosalema.

4 Rehefa voasasan’ ny Tompo ho afaka amin’ ny fahalotoany ireo zanakavavin’ i Ziona, Ary rehefa voadion’ ny fanahy fitsarana, sy ny fanahy fandringanana Jerosalema, Ho afaka amin’ ny ran’ olona nalatsany.

5 Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro Sy fahazavan’ ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin’ ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin’ ny fivoriany rehetra; Ary eny ambonin’ ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo

6 Ka hisy trano-lay ho fialokalofana amin’ ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin’ ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.