Eterniseed

Ohabolana 9

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;

2 Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;

3 Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon’ ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:

4 Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin’ izany tsy ampy saina dia hoy izy:

5 Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.

6 Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin’ ny lalan’ ny fahalalana.

7 Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.

8 Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.

9 Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.

10 Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masìna no fahazavan-tsaina.

11 Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.

12 Raha hendry ianao, dia hendry ho an’ ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan’ izany.

13 Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.

14 Fa mipetraka eo am-baravaran’ ny tranony izy, Ary amin’ ny seza eny amin’ ny fitoerana avo eo an-tanàna,

15 Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin’ ny alehany, ka manao hoe:

16 Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin’ izay tsy ampy saina dia hoy izy:

17 Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin’ ny fiafenana,

18 Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin’ ny halalin’ ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.