Eterniseed

Salamo 100

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Mihobia ho an’ i Jehovah, ry tany rehetra.

2 Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin’ ny fihobiana.

3 Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, Dia olony sy ondry fiandriny.

4 Midìra eo amin’ ny vavahadiny amin’ ny fisaorana, Ary eo an-kianjany amin’ ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany,

5 Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.