Eterniseed

Salamo 11

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin’ ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely?

2 Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin’ ny kofehy izy, nikendry tao amin’ ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.

3 Fa rava ny fanorenana, ka inona indray no azon’ ny marina atao?

4 Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masìna, ny seza fiandrianan’ i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak’ olombelona.

5 Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ ny fanahiny.

6 Handatsaka fandrika amin’ ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.

7 Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.