Eterniseed

Salamo 131

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Jehovah ô, tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko: Ary tsy nisaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, Na izay saro-pantarina tsy takatro.

2 Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko aho; Tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny. Dia tahaka Izany ny fanahiko ato anatiko.

3 Ry Isiraely ô, manantenà an’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.