Eterniseed

Salamo 136

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony.

2 Midera an’ Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.

3 Miderà ny Tompon’ ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony;

4 Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

5 Izay nanao ny lanitra tamin’ ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

6 Izay namelatra ny tany ho ambonin’ ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

7 Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

8 Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

9 Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

10 Izay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony)

11 Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

12 Tamin’ ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

13 Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

14 Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

15 Fa nanary an’ i Farao sy ny miaramilany tao anatin’ ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

16 Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

17 Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

18 Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

19 Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

20 Sy Oga, mpanjakan’ i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

21 Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

22 Dia ho lovan’ ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

23 Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

24 Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin’ ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

25 Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony);

26 Miderà an’ Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.