Eterniseed

Salamo 142

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

2 Ny feoko no itarainako amin’ i Jehovah; Ny feoko no ifonako amin’ i Jehovah.

3 Loarako eo anatrehany ny fitarainako; Ambarako eo anatrehany ny fahoriako.

4 Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatro ny alehako; Eo amin’ ny lalana izorako No nanafenany fandrika hamandrihany ahy.

5 Jereo eo ankavanana, ka izahao, Fa tsy misy olona mahalala ahy; Foana avokoa ny fiarovana ahy; Tsy misy miahy ny fanahiko.

6 Mitaraina aminao aho, Jehovah ô; Hoy izaho: Hianao no aroko Sy anjarako eo amin’ ny tanin’ ny velona.

7 Henoy ny fitarainako, Fa reraka indrindra aho; Vonjeo aho amin’ ny mpanenjika ahy, Fa tsy leoko ireny.

8 Avoahy hiala amin’ ny tranomaizina ny fanahiko, Mba hiderako ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina, Satria manisy soa ahy Hianao.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.