Eterniseed

Salamo 28

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangìna amiko Hianao, dia ho tahaka izay midìna any an-davaka aho.

2 Mihainoa ny feon’ ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin’ ny fitoeranao masìna indrindra aho.

3 Aza atao indray manakipaka amin’ ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin’ ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.

4 Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian’ ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan’ ny tànany, valio izy araka izay iendrehany.

5 Fa tsy mihevitra ny asan’ i Jehovah, na ny vitan’ ny tànany, izy, dia horavan’ i Jehovah izy, fa tsy haoriny.

6 Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon’ ny fifonako Izy.

7 Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian’ ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy.

8 Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.

9 Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.