Eterniseed

Salamo 38

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

2 Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.

3 Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao, ary manindry ahy mafy ny tananao,

4 Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.

5 Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.

6 Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako.

7 Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.

8 Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.

9 Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon’ ny foko.

10 Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra; ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.

11 Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan’ ny masoko aza efa nandao ahy.

12 Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.

13 Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana, sy misaim-pitaka mandrakariva.

14 Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;

15 Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.

16 Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.

17 Fa hoy izaho: sao dia hifalian’ izy ireo anie aho; ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy.

18 Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.

19 Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako.

20 Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;

21 Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin’ ny fanarahako ny tsara.

22 Aza mahafoy ahy, Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.

23 Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.