Eterniseed

Salamo 47

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

2 Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an’ Andriamanitra.

3 Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin’ ny tany rehetra Izy.

4 Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika, ary firenen-tsamy hafa ho ambanin’ ny tongotsika.

5 Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr’ i Jakoba izay tiany. [Sela.]

6 Efa niakatra tamin’ ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin’ ny fitsofana ny anjomara.

7 Mankalazà an’ Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà.

8 Fa Mpanjaka amin’ ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo.

9 Andriamanitra manjaka amin’ ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany masìna.

10 Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon’ Andriamanitr’ i Abrahama; fa an’ Andriamanitra ny ampingan’ ny tany; Avo indrindra Izy.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.