1 <title canonical="true" type="psalm"> Ho an’ ny mpiventy hira. Maskila nataon’ i Davida,
2 fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin’ i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon’ i Ahimeleka.</title>
3 Nahoana no mandoka tena amin’ ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny famindram-pon’ Andriamanitra maharitra mandrakariva.
4 Loza no heverin’ ny lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka.
5 Efa tia ny ratsy noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina. [Sela.]
6 Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka.
7 Andriamanitra kosa hanimba anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin’ ny tanin’ ny velona. [Sela.]
8 Ny marina hijery, dia hatahotra ka hihomehy azy hoe:
9 Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an’ Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben’ ny hareny ka nikikitra tamin’ ny faharatsiany.
10 Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon’ Andriamanitra. Matoky ny famindram-pon’ Andriamanitra mandrakizay doria aho.
11 Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan’ ny olonao masìna aho, fa tsara izany.