Eterniseed

Salamo 61

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

2 Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako.

3 Any am-paran’ ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin’ ny vatolampy izay avo ka tsy tratro;

4 Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo.

5 Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin’ ny fanomban’ ny elatrao aho,

6 Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan’ izay matahotra ny anaranao.

7 Halavao ny andron’ ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro.

8 Aoka hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy;

9 Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan’ andro ny voadiko.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.