Eterniseed

Salamo 65

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

2 Ho anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.

3 Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin’ ny nofo rehetra.

4 Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.

5 Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin’ ny tranonao izahay dia ny zava-masìna ao amin’ ny tempolinao.

6 Zava-mahatahotra no ataonao amin’ ny fahamarinana ho valin’ ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin’ ny faran’ ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny.

7 Mampiorina ny tendrombohitra amin’ ny heriny Izy, misikìna fahatanjahana Izy.

8 Mampitsahatra ny firohondrohon’ ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban’ ny firenena.

9 Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran’ ny tany; ny any amin’ ny fiposahan’ ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.

10 Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao ― Ny onin’ Andriamanitra dia tondra-drano ― Mamboatra vary ho an’ ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.

11 Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao.

12 Satrohanao voninahitra ny taona fitahianao; ary ny dianao mitete menaka.

13 Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikìna fifaliana ny havoana.

14 Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.