2 Ny feoko dia mankany amin’ Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin’ Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.
3 Tamin’ ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.
4 Ta-hahatsiaro an’ Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko. [Sela.]
5 Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.
6 Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.
7 Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin’ ny alina aho; te-hidinidinika amin’ ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:
8 Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?
9 Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?
10 Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny? [Sela.]
11 Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan’ ny tanana ankavanan’ ny Avo Indrindra.
12 Hampahatsiaro ny asan’ i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;
13 Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.
14 Andriamanitra ô, amin’ ny fitoerana masìna ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an’ Andriamanitra?
15 Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin’ ny firenena Hianao.
16 Navotan’ ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak’ i Jakoba sy Josefa. [Sela.]
17 Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.
18 Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.
19 Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin’ ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.
20 Tany amin’ ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin’ ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.
21 Ny tanan’ i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.