Eterniseed

Salamo 8

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

2 Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra! nataonao eny amin’ ny lanitra ny voninahitrao.

3 Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.

4 Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,

5 Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no amangianao azy?

6 Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.

7 Efa nampanjakainao amin’ ny asan’ ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ ny tongony,

8 Dia ny ondry aman’ osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa,

9 Mbamin’ ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina, izay mandeha amin’ ny lalan-dranomasina.

10 Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra!

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.