Eterniseed

Salamo 81

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

2 Mihobia ho an’ Andriamanitra herintsika; manaova feo fifaliana ho an’ Andriamanitr’ i Jakoba.

3 Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin’ ny valiha.

4 Tsofy ny anjomara amin’ ny volana; eny, amin’ ny feno-volana, dia amin’ ny andro firavoravoantsika.

5 Fa lalàna ho an’ ny Isiraely izany, ary fitsipik’ Andriamanitr’ i Jakoba.

6 Notendreny ho vavolombelona eo amin’ i Josefa izany, raha nandeha namely ny tany Egypta Izy; nandre teny tsy fantatro aho.

7 Nampiala ny sorony tamin’ ny entana Aho; nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany.

8 Fony azom-pahoriana ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho; namaly anao tao amin’ ny fiafenan’ ny kotrokorana Aho, ary nizaha toetra anao tao amin’ ny ranon’ i Meriba. [Sela.]

9 Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy ianao, ry Isiraely.

10 Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin’ ny andriamanitry ny firenena hafa.

11 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko.

12 Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy;

13 Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan’ ny tenany.

14 Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin’ ny lalako ny Isiraely;

15 Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny;

16 Izay mankahala an’ i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron’ ny oloko;

17 Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin’ ny vatolampy no hamokisako anao.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.