Eterniseed

Salamo 87

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Ny naorin’ i Jehovah dia ao an-tendrombohitra masìna;

2 Ny vavahadin’ i Ziona dia tian’ i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an’ i Jakoba.

3 Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan’ Andriamanitra. [Sela.]

4 Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan’ izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin’ i Etiopia, Ity no efa teraka teo.

5 Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.

6 Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo. [Sela.]

7 Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.