Eterniseed

Salamo 98

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masìna no nahavitany famonjena.

2 Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason’ ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany.

3 Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin’ ny taranak’ i Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen’ Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.

4 Mihobia ho an’ i Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny hoby, ka mihirà.

5 Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny lokanga, Dia amin’ ny lokanga sy ny feo fihirana,

6 Amin’ ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara, Ka mihobia eo anatrehan’ i Jehovah Mpanjaka.

7 Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.

8 Aoka hiteha-tanana ny riaka; Aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitra

9 Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao rehetra izao amin’ ny fahamarinana Izy Ary ny firenena amin’ ny fahitsiana.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.