Eterniseed

Tononkira 3

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Teo am-pandriako nony alina dia mazàna nitady ilay tian’ ny fanahiko aho; Nitady azy aho, fa tsy nahita azy.

2 Dia hoy izaho: Hifoha aho ka handehandeha eo an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kalalahana, hitady ilay tian’ ny fanahiko eny, nitady azy aho, nefa tsy nahita azy.

3 Hitan’ ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna aho; Dia hoy izaho: Sao mba hitanareo lahy ilay tian’ ny fanahiko iny?

4 Nony vao nandalo ireo vetivety foana aho, dia hitako ilay tian’ ny fanahiko, ka nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha, mandra-pitondrako azy ho any an-tranon’ ineny, dia any amin’ ny efi-tranon’ ilay niteraka ahy.

5 Mampianiana anareo amin’ ny gazela na amin’ ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin’ i Jerosalema; Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.

6 Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, tahaka ny setroka mitankosina, sady tsara fofona amin’ ny miora sy ny ditin-kazo mani-pofona mbamin’ ny vovoka manitra samy hafa entin’ ny mpandranto?

7 Indro ny filanjan’ i Solomona! Lehilahy enim-polo, mahery avokoa, avy amin’ ny lehilahy mahery amin’ ny Isiraely, no manotrona azy.

8 An-tsabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, samy mitondra ny sabany eo am-balahany avy noho ny tahotra amin’ ny alina.

9 Nanao filanjana ho azy Solomona mpanjaka tamin’ ny hazo avy any Libanona:

10 Volafotsy no nataony andriny, ary volamena ny fiankinana, volomparasy ny ondany, ny ao anatiny voaravaka amin’ ny fanomezam-pitiavana avy tamin’ ny zanakavavin’ i Jerosalema.

11 Mivoaha, ry zanakavavin’ i Ziona, ka mijere an’ i Solomona mpanjaka, misatroka ilay satro-boninahitra nasatro-dreniny azy tamin’ ny andro nampakarany vady, dia tamin’ ny andro nifalian’ ny fony.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.