Eterniseed

Zakaria 1

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Tamin’ ny volana fahavalo tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah tamin’ i Zakaria mpaminany, zanak’ i Berekia, zanak’ Ido, nanao hoe:

2 Tezitra indrindra tamin’ ny razanareo Jehovah.

3 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.

4 Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin’ ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy ianareo sy amin’ ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah.

5 Ny razanareo ― aiza moa ireny izao? Ary ny mpaminany ― moa velona mandrakizay va ireny?

6 Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.

7 Tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ ny volana fahiraika ambin’ ny folo (volana Sebata izany) tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak’ i Berekia, zanak’ Ido, ny tenin’ i Jehovah nanao, hoe:

8 Nahita tamin’ ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin’ ny rotra teny an-dohasaha, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy.

9 Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin’ ireo.

10 Ary ralehilahy izay nijanona teny amin’ ny rotra dia namaly hoe: Ireo dia nirahin’ Jehovah hivoivoy eny amin’ ny tany.

11 Ary namaly Ilay Anjelin’ i Jehovah nijanona teny amin’ ny rotra ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin’ ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.

12 Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon’ ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’ i Jerosalema sy amin’ ny tanànan’ ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.

13 Dia novalian’ i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.

14 Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’ i Jerosalema sy Ziona Aho.

15 Ary tezitra indrindra Aho amin’ ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.

16 Koa izao no lazain’ i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin’ ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.

17 Miantsoa indray hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an’ i Ziona ary mbola hifidy an’ i Jerosalema indray.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.