Eterniseed

Salamo 110

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.

2 Ny tehin’ ny herinao Havoak’ i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin’ ny fahavalonao Hianao.

3 Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ ny andro anafihanao; Amin’ ny fihaingoana masìna, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.

4 Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka.

5 Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ ny andron’ ny fahatezerany

6 Hitsara any amin’ ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona any amin’ ny tany malalaka Izy.

7 Hisotro amin’ ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan’ ny lohany.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.