Eterniseed

Salamo 111

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Haleloia. Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho, Eo amin’ ny fivorian’ ny marina sy ny fiangonan-dehibe.

2 Lehibe ny asan’ i Jehovah, Ka dinihin’ izay rehetra mankasitraka azy.

3 Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.

4 Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah.

5 Nomeny hanina izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.

6 Ny herin’ ny asany nasehony tamin’ ny olony. Tamin’ ny nanomezany azy ny lovan’ ny jentilisa.

7 Ny asan’ ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra;

8 Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana.

9 Manatitra fanavotana ho an’ ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masìna sy mahatahotra ny anarany.

10 Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan’ izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.