Eterniseed

Salamo 112

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an’ i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra.

2 Hahery ambonin’ ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina.

3 Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.

4 Ao amin’ ny maizina no iposahan’ ny mazava ho an’ ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny.

5 Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.

6 Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.

7 Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an’ i Jehovah ny fony.

8 Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin’ ny mpandrafy azy.

9 Namafy izy, eny, nanome ho an’ ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.

10 Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian’ ny ratsy fanahy.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.