Eterniseed

Salamo 113

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon’ i Jehovah, Miderà ny anaran’ i Jehovah.

2 Isaorana anie ny anaran’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.

3 Hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany No hoderaina anie ny anaran’ i Jehovah.

4 Avo ambonin’ ny jentilisa Jehovah; Ambonin’ ny lanitra ny voninahiny.

5 Iza no tahaka an’ i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ ny avo,

6 Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?

7 Manangana ny malahelo hiala amin’ ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ ny zezika,

8 Mba hametraka azy ho naman’ ny mpanapaka ny olony.

9 Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.