Eterniseed

Salamo 114

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak’ i Jakoba avy tany amin’ ny firenena hafa fiteny,

2 Joda no fitoerany masìna, Isiraely no fanjakany.

3 Ny ranomasina nahita ka nandositra; Ary niorika Jordana.

4 Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak’ ondry.

5 Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no miorika ianao?

6 Ary ianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary ianareo havoana, tahaka ny zanak’ ondry?

7 Mihorohoroa eo anatrehan’ ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan’ Andriamanitr’ i Jakoba.

8 Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.