Eterniseed

Salamo 123

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Aminao no anandratako ny masoko, Ry Mpitoetra any an-danitra ô.

2 Indro, toy ny fijerin’ ny ankizilahy Ny tanan’ ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin’ ny ankizivavy Ny tanan’ ny tompovaviny, No fijerintsika an’ i Jehovah Andriamanitsika, Mandra-pamindra fony amintsika.

3 Mamindrà fo aminay, Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay;

4 Eny, tototry ny famingavingan’ ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan’ ny mpiavonavona.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.