1 Raha tsy Jehovah no nomba antsika,― Eny, aoka hataon’ ny Isiraely hoe:
2 Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.
3 Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;
4 Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;
5 Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka.
6 Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin’ ny nifiny.
7 Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin’ ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika.
8 Ny famonjena antsika dia amin’ ny anaran’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.