Eterniseed

Salamo 126

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Fony Jehovah nampody an’ i Ziona avy tamin’ ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika.

2 Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin’ ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon’ i Jehovah ho an’ ireny.

3 Eny, zava-dehibe no nataon’ i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika.

4 Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin’ ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan’ ny riaka any amin’ ny tany atsimo.

5 Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana.

6 Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ ny fihobiana kosa.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.