Eterniseed

Salamo 127

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina.

2 Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin’ ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an’ ny malalany, na dia matory aza izy.

3 Indro, lova avy amin’ i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo.

4 Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan’ ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana.

5 Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin’ ny fahavalo eo am-bavahady.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.