Eterniseed

Salamo 128

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Sambatra izay rehetra matahotra an’ i Jehovah, Dia izay mandeha amin’ ny lalany.

2 Fa hohaninao tokoa ny asan’ ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.

3 Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin’ ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak’ oliva Manodidina ny latabatrao.

4 Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an’ i Jehovah.

5 Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan’ i Jerosalema anie ianao Amin’ ny andro rehetra hiainanao.

6 Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin’ ny Isiraely.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.