Eterniseed

Salamo 13

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

2 Jehovah ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko?

3 Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan’ andro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan’ ny fahavaloko ho amboniko?

4 Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho;

5 Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho.

6 Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin’ ny famonjenao ny foko. Hihira ho an’ i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy;

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.