Eterniseed

Salamo 14

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.

2 Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’ olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’ Andriamanitra.

3 Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.

4 Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny?

5 Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin’ ny taranaka marina.

6 Na dia foananareo aza ny fisainan’ ny ory, Jehovah kosa no arony.

7 Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin’ i Jehovah avy amin’ ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.