Eterniseed

Salamo 133

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Endrey, tsara sady mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina

2 Tahaka ny diloilo tsara amin’ ny loha, Izay mitsororoka amin’ ny somotra, dia ny somotr’ i Arona, Izay mitsororoka amin’ ny moron-tongotr’ akanjony;

3 Tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin’ ny tendrombohitra Ziona; Fa voadidin’ i Jehovah ho eo ny fitahiana, Dia fiainana ho mandrakizay.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.