1 Andeha, misaora an’ i Jehovah, ianareo rehetra mpanompon’ i Jehovah, Izay mitoetra alina ao an-tranon’ i Jehovah.
2 Manandrata ny tananareo ho amin’ ny fitoerana masìna, Ka misaora an’ i Jehovah.
3 Hitahy anao avy ao Ziona anie Jehovah Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.