Eterniseed

Salamo 149

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona masìna.

2 Aoka ny Isiraely hifaly amin’ ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin’ ny Mpanjakany ny zanak’ i Ziona.

3 Aoka hidera ny anarany amin’ ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny lokanga.

4 Fa sitrak’ i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.

5 Aoka ny olona masìna hifaly amin’ ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy.

6 Aoka hisy fanandratana an’ Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany,

7 Hamaliany ny Jentilisa Sy hamaizany ny firenena maro,

8 Hamatorany ireo mpanjakany amin’ ny gadra, Sy ny olo-malazany amin’ ny gadra vy.

9 Mba hanaovany ny fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masìna rehetra Izany. Haleloia.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.