Eterniseed

Salamo 150

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Haleloia. Miderà an’ Andriamanitra eo amin’ ny fitoerany masìna. Miderà Azy eo amin’ ny habakabaky ny heriny.

2 Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben’ ny voninahiny.

3 Miderà Azy amin’ ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin’ ny valiha sy ny lokanga.

4 Miderà Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin’ ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.

5 Miderà Azy amin’ ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin’ ny kipantsona tsara feo.

6 Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’ i Jehovah. Haleloia.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.