Eterniseed

Salamo 2

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?

2 Ireo mpanjakan’ ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’ i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:

3 “Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.”

4 Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.

5 Dia hiteny azy amin’ ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin’ ny fahatezerany hoe:

6 “Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin’ i Ziona, tendrombohitro masìna.”

7 “Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.

8 Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ ny tany ho fanananao.

9 Hotorotoroinao amin’ ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.”

10 Ary amin’ izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran’ ny tany.

11 Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fahatahorana, ary mifalia amin’ ny fangovitana.

12 Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.