Eterniseed

Salamo 3

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

2 Jehovah ô, akory izato hamaroan’ ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.

3 Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin’ Andriamanitra izy. [Sela.]

4 Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.

5 Amin’ ny feoko no iantsoako an’ i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masìna no mamaly ahy Izy.

6 Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. [Sela.]

7 Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.

8 Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin’ ny ratsy fanahy novakivakinao.

9 An’ i Jehovah ny famonjena; Ho amin’ ny olonao anie ny fitahianao. [Sela.]

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.