Eterniseed

Salamo 4

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

2 Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.

3 Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo? [Sela.]

4 Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan’ i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.

5 Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangìna. [Sela.]

6 Manatera fanati-pahamarinana, ary matokia an’ i Jehovah.

7 Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan’ ny tavanao, Jehovah ô.

8 Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin’ ny taona nahabetsahan’ ny variny sy ny ranom-boalobony.

9 Handry amin’ ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’ izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.