2 Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.
3 Henoy ny feon’ ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô; fa Hianao no ivavahako.
4 Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho.
5 Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.
6 Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra.
7 Haringanao ny mpiteny lainga; ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon’ i Jehovah ho zava-betaveta.
8 Fa izaho kosa noho ny haben’ ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masìna amin’ ny fahatahorana anao aho.
9 Jehovah ô, tariho amin’ ny fahamarinanao aho noho ny amin’ ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao.
10 Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy.
11 Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon’ ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben’ ny fahotany, satria efa niodina taminao.
12 Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao.
13 Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.