Eterniseed

Salamo 6

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

2 Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.

3 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako.

4 Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana?

5 Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.

6 Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ ny fahafatesana, any amin’ ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao?

7 Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan’ alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako.

8 Lanin’ alahelo ny masoko; efa pahina izy amin’ ny ataon’ ny mpampahory ahy rehetra.

9 Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon’ ny fitomaniako.

10 Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako.

11 Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.