Eterniseed

Salamo 23

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,

2 Mampandry ahy amin’ ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ ny rano fialan-tsasatra Izy.

3 Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ ny lalan’ ny fahamarinana noho ny anarany Izy.

4 Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.

5 Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno.

6 Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin’ ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’ i Jehovah andro lava aho.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.