Eterniseed

Salamo 24

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

1 An’ i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.

2 Fa Izy no nanorina azy tambonin’ ny ranomasina. Tambonin’ ny rano no nampitoerany azy.

3 Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin’ ny fitoerany masìna?

4 Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ ny lainga, na mianiana hamitaka.

5 Handray fitahiana avy amin’ i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin’ Andriamanitry ny famonjena azy.

6 Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba. [Sela.]

7 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny mpanjakan’ ny voninahitra.

8 Iza izao Mpanjakan’ ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.

9 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny Mpanjakan’ ny voninahitra.

10 Iza ary izao Mpanjakan’ ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon’ ny maro, Izy no Mpanjakan’ ny voninahitra. [Sela.]

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.