Eterniseed

Salamo 56

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

2 Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.

3 Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.

4 Amin’ ny andro atahorako no itokiako Anao.

5 Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny nofo amiko?

6 Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.

7 Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.

8 Amin’ izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin’ ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.

9 Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ ny bokinao va ireny?

10 Amin’ izay dia hiamboho ny fahavaloko amin’ ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.

11 Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.

12 Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny olona amiko?

13 Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.

14 Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ ny fahazavan’ ny velona.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.