Eterniseed

Salamo 57

Malagasy Bible (1865) · Malagasy · Free, public domain

2 Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan’ ny fanahiko; eny, ao amin’ ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan’ ny loza.

3 Hitaraina amin’ Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin’ Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy.

4 Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy. [Sela.] Eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany.

5 Ny fanahiko dia eo afovoan’ ny liona; handry eo amin’ ny masiaka aho, dia eo amin’ ny zanak’ olombelona,― lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany.

6 Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.

7 Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. [Sela.]

8 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.

9 Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.

10 Hidera Anao eny amin’ ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin’ ny firenena aho.

11 Fa lehibe mihatra amin’ ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.

12 Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.

Read Malagasy Bible (1865) with narration, notes, and lessons in the Eterniseed app.